Serasera : Voin-kava mahatratra ho an’ireo mpanao gazety
Maro amin’ireo mpanao gazety manatanteraka ny asany no tra-boina vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza Batsirai. Tsy nitsahatra niasa sy nikaroka ary nampita vaovao tokoa ny mpanao gazety tao anatin’ireny andro ratsy ireny.
« Mahery fo ianareo satria niantsorohanareo ny adidy masina maha-mpanao gazety. Tsy nitsahatra niasa nikaroka sy nampita vaovao ianareo, na dia traboina aza » hoy ny avy ao amin’ny Holafitry ny mpanao gazety. « Manan-danja amin’ny asa fampandrosoana ny firenena tokoa ny asa fanaovan-gazety. Amin’izao fotoana izao mihitsy no ahatsapana fa tena ilaina ny manara-baovao » hoy i Yollande, mpianatra ho mpanao gazety ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo. « Manentana antsika, mpanao gazety rehetra, namana sy tapaka, mpiara-miasa amin’ny mpanao gazety, hanolo-tanana, hanao fitia tsy mba hetra. Hanampiana ny mpiray vatsy, mpiray aina amintsika, dia ireo mpanao gazety niharan’ny takaitran’ny fandalovan’ny rivo-doza Batsirai » hoy hatrany ny avy ao amin’ny biraon’ny OJM.
Mangarahara hatrany ny fitantanana ireo fanampiana voaangona amin’izany. Manana anjara asa toerana faharoa lehibe eto amintsika ny asa fanaovan-gazety. Rariny loatra ary mendrika fanampiana ireo milofo mikiry manohy ny asany na dia ao anaty ady sarotra aza.
Nicole Rafalimananjara
