Antsirabe : Tetikasa famokarana « biogas » ao amin’ny sekoly fanofanana polisy
Nirotsaka tao amin’ny sekoly fampiofanana Polisy ao Antsirabe ny avy eo amin’ny Minister any tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra niaraka tamin’ny orinasa Arinala izay mpamokatra biogas. Nanatanteraka fifampidinihana ahafahana manodina ny maloto ao amin’ity sekoly ity ho lasa biogaz ny departemanta roa tonta
Raha ny tombantombana 30m3 isam-bolana eo izany maloto izany ary azo hamokarana biogaz hanoloana ny kitay izany. Raha ny fikarohana sy ny dinika maro samihafa natao azo tanterahina tsara izany tetikasa izany. Efa manana traikefa amin’ny izany tetikasa izany ny orinasa Arinala noho izy efa nametraka Biogaz miisa 70 tao amin’ny tananan’Antsirabe ary tohanan’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra izany.
Raha ny fanehoan-kevitry ny mponina ao amin’ny faritra vakinakaratra, mandany tokoa ny fampiasana ny kitay. « Tsara ny miroso amin’ny fampiasana ny biogaz satria maro ireo fototra hazo kapaina hangalana kitay. Mampihena ny fandripahana ny ala ihany koa ny tetikasa » hoy i Danièla. « Tsara ilay hevitra satria miaro ny tontolo iainana izany tetikasa izany » hoy i Rolland.
Ny dingana manaraka amin’izao tetikasa izao dia ny fanaovana ny teti-bidin’ny tetikasa alefa mivantana any amin’ny Foibem-pitondrana misahana ny toe-karena manga sy maitso eny anivon’ny Ministeran’ny tontolo iainana ary ny fifampiresahana amin’ireo tompon’andraikitra eo amin’ny sekoly fampiofanana polisy ao Antsirabe. Ny Biogaz avy amin’ny maloto moa dia loharano angovo lehibe. Tombony amin’ny fampiasana ny Biogaz ny fampihenana ny fampiasana ny entona manimba ny tontolo iainana (gaz à effet de serre) ary ny fampihenana ny habetsahan’ny fako biolojika.
Sitraka Rajaonarivony
