ActualitésTsidika

Kaominina Ambohijanaka : Hahazo famatsiana rano fisotro madio

Notoloran’ny Ministeran’ny Rano tamin’ny alalan’ny solombavam-bahoaka Andry Ratsivahiny famatsiana rano fisotro madio ny mponina tao amin’ny kaominina Ambohijanaka. « Forage » isaky ny fokontany no natao hanatanterahana izany.  Natomboka tao amin’ny fokontany Lohanosy sy Mahaimandry izay hahafahana mamatsy ireo fokontany sy tanàna manodidina izany asa izany.

Nanazava ny tompon’andraikitra fa « efa nisy rano foana ihany teny hatrizay fa ankehitriny kosa dia rano fisotro madio no natao mba hitsinjovana ny fahasalaman’ny mponina ary hahazo izany avokoa isaky ny fokontany saingy mbola eo am-piandrasana ny fitsirihana ho ataon’ny Ministeran’ny Rano ny fampandehanana azy ». Manoloana izany anefa ny mponina dia milaza fa « ilaina fanaraha-maso ireny foto-drafitr’asa haorina ireny mba ho lovain’ny taranaka » hoy i Raphael, mponina ao amin’ny kaominina Ambohijanaka.

Anisan’ny hevitra iray natao hampianatra ny olona hanaja ny fananana iombonana ny fanorenana fotodrafitr’asa tsara sy mafy ka ahafahan’ny taranaka rehetra any aoriana mbola misitraka izany.  

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire