ActualitésTsidika

Tsena sy fanjifana : Famerana ny vidin’ny PPN no nataon’ny fanjakana

Roso amin’ny Famerana ny vidin’ny PPN ny avy ao amin’ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana. Famerana ny vidiny no ataon’izy ireo fa tsy fampidinana ny vidiny. « Ferana ny vidin’ny PPN sy ny tombony azon’ny mpivarotra alaina. Efa nisy ny dinika nifanaovana amin’ireo mpisehatra ara-barotra voakasika rehetra » hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy. « Manentana ireo mpanjifa hilaza ety anivon’ny Ministeran’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana, raha toa mahita tsy fanajana ny vidin’entana efa nifanarahana », hoy hatrany ny Ministra. Efa nisy ny famoahana ofisialy ny vidy farany ambony amin’ny PPN eto Antananarivo sy ny Faritra Analamanga. Tsara manaraka hatrany ny lamina isika mba ho tombontsoan’ny rehetra. Ho fantatra tsy ho ela ny vidin’ny entana faran’ny ambony any amin’ny faritra hafa.

Laisser un commentaire