ConseilTsidika

Dihy Rodobe : Dihy nentin-drazana fanao hatramin’ny fanjakan-dRalambo

Ny dihy Rodobe dia dihy merina, fanao hatramin’ny fanjakan-dRalambo ka iarahan’ny lehilahy sy ny vehivavy maromaro mandihy amin’ny fifaliana sy lanoanam-pianakaviana.

Tany am-boalohany dia samy manao izay fihetsika hainy fa tsy misy firindrana mihitsy ny dihy. Ny loha, ny tanana, ny sandry sy ny soroka ary ny tongotra no ampandihizina.

Manao akanjo tohitena marevaka sy lava manarona ny tongotra ny vehivavy, ny volo lava randranina atao tanan’ivoho ary mitafy lamba lasoa. Ny lehilahy kosa manao malabary na lobaka sy pataloha mitovy loko.

Sodina, angorodao valo lambana, apongabe ary langoroana no zava-maneno ampiasaina.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire