ActualitésTsidika

Ady amin’ny fahasimban’ny tontolo iainana

Nahazo mpisehatra vaovao ny mpiaro ny tontolo iainana eto Madagasikara rehefa nisy fampiofanana vaovao nataon’ny fikambarana miaro ny tontolo iainana.

Manana hevitra ny hametraka paikady vaovao hanamafisina ny fiarovana ny tontolo iainana ny fikambanana « Jadd Madagascar » sy ny « Tafo Mihaavo » sy ireo mpiara-miombonantoka amin’izy ireo ka niakarakara atrikasa ho an’ny any amin’ny sisin-tany izy ny teknisianina ao amin’ireto fikambanana ireto mba hampidirana an’izy ireo anaty ny rafitra fiarovana ny tontolo iainana. Ireo mpisehatra vaovao ireo no hanentana ny an’ny amin’ny faritra misy azy ireo tsirairay avy.

« Tanora, vehivavy sy olona manana fahasembanana dia tafiditra anisan’ireo mpiaro ny tontolo iainana ary hitantana ny harena voanjanahary sy ny fampandrosoana maharitra » hoy ny tompon’andraikitra amin’ity tetikasa ity. Manantena ny hihenan’ny fahasimban’ny tontolo iainana koa ireto mpisehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ireto. Faly sy nankasitraka koa ireto mpiofana amin’izao andraikitra lehibe nomena an’izy ireo izao ary nampanantena izy ireo fa hanao izay tratry ny herin’izy ireo amin’ny ady amin’ny fahasimban’ny tontolo iainana.

Mila entanina hatrany mponina mba tsy hanimba ny tontolo iainana fa hiaro izany aza no tokony hatao satria isika ihany no hizaka ny zavatra ataotsika rehefa atsy ho atsy na mety ny taranaka aoriana. Ny ankizy koa dia tokony hampianarina ny hiaro sy hitandro ny tontolo iainana ka hananan’izy ireo fahatongavan-tsina rehefa lehibe izy ireo ary mila hamafisina hatrany ny ady amin’ny tontolo iainana na amin’ny alalan’ny fanentanana izany na amin’ny fikojakojana ny tontolo raha tsy izany dia ho simba hatrany ny tontolo iainana.

Anja Raharimalala

Laisser un commentaire