ActualitésTsidika

Faritra Boeny : Nanomboka amin’ny fomba ofisialy ny tetik’asa INP 2021

Nanomboka ny Alakamisy 12 Aogositra 2021 ny lanonana fanombohana ofisialy ny tetik’asa (Intérêt national prioritaire) INP 2021.

Tanora miisa 300 no hahazo fampiofanana amin’ny famakiana vato amin’ny fampiharana ny INP  ao Boeny. Velirano faha-6 ny fanomezana Asa mendrika ny tanora ka nankasitraka feno ny mpiara-miombon’antoka ny Governora ao amin’ny faritry Boeny ny amin’ny fampidirana izao tetik’asa fampiofanana izao ho isan’ny INP. Vita ny Alakamisy 12 Aogositra 2021 ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin’ny Faritra, ny mpamatsy vola FMFP (Fonds malgache pour la Formation professionnelle) sy ny AFD (Agence française de développement), ny solontenan’ny sekretera jeneralin’ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fampiofanana arak’asa (METFP) ary ny Syndikan’ny Mpandraharaha BTP (SEBTP) ny mikasika tetik’asa INP izay natao tao amin’ny Roches rouges. Faritra roa no hanatanterahana izany tetik’asa izany : ny faritra Boeny sy Analamanga. Haharitra iray taona azo havaozina izany, araka ny fanazavana azo nandritra ny lanonana.

Ho an’i Boeny dia ny distrikan’i Marovoay, Ambatoboeny ary Mahajanga I, no misitraka izany amin’ny alàlan’ny fampiofanana ara-kasa ireo tanora ho matianina amin’ny asa fandrafetana vato sy hahay handrary lalana rari-vato (pavé). Hahazo mari-pahaizana maha-matianina avy amin’ny Ministera izy ireo aorian’ny fiofanana. Natolotry ny mpamatsy vola tamin’izany fotoana izany ihany koa ny taratasim-bola (chèque) mitentina 300 tapitrisa ariary hanatanterahana io tetik’asa INP io.

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire