PolitiqueTsidika

Nanatrika ny Fihaonam-ben’ny SADC any Malawi ny Filoha

Nanainga ny alin’ny alahady 15 aogositra ny Filoham-pirenenena Andry Rajoelina sy ny delegasionina izay tarihiny, hanatrika ny Fihaonam-ben’ny SADC an’i Malawi. Ary efa tonga soa aman-tsara ao Lilongwe izy ireo.

Vao vita ny fametrahana ireo Ministra mandrafitra ny govenemanta vaovao, avy hatrany dia manohy ny asany amin’ny maha rain’ny firenena azy ny Filoha. Ny alatsinainy 16 sy ny 17 aogositra no hanatanterahina io fihaonam-be io. Horesahana mandritra izany ny fanatanterahana ny « Plan strategique indicative de developpement regional » (RISDP 2020-2030) izay tapaka nandritran’ny filan-kevitry ny Ministra.

Hodinihana mandritran’io fivoriana io ny tatitry ny komity miandraikitra ny « finances » ary ny tatitry ny komity misahana ny « ressources humaines et de l’administration » hiatrehana ny afahana manatanteraka io lohahevitra tapaka tao anatin’io Filan-kevitra io.

« Tsy mampiova vidim-piainana izany, tsy tokony atao lohalaharana » hoy i Saholy, renim-pianakaviana. « Ilaina tokoa ny fanatrehana ny fivoriam-ben’ny SADC toy izao, isika dia mila ny fanohanana izy ireo. Afaka hanampy antsika andeha lavitra tsara izany. Raha ny farany teo, nanohana antsika amin’ny fikatsahana amin’ny famerenena amin’ny laoniny an’ireo iles eparses izy ireo » hoy I Tojo, Tojo izay mpianatra mandalina ny « sciences politiques ».

Mila mivoatra i Madagasikara, mila mandroso ary izany indrindra no mahatonga ny Filoha tsy miandriandry raharaha fa mitady izay fifanarahana rehetra afahana manatanteraka ny drafitra rehetra apetrak’izy ireo amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Miandry ny vokatra hoentin’ny Filoha izany ny vahoaka Malagasy.

Tsangy Randriamampianina

Laisser un commentaire