Inona avy ireo hevitra azo aroso hanalana ny firenena demokratika amin’ny korontana ara-politika?
Ny vakoka ara-tantaran’i Madagasikara navelan’ny fanjanahantany dia mbola misy fiantraikany amin’ny politikany ankehitriny. Ny fiovan’ny fitondrana, ny fanonganam-panjakana, ny disadisa eo amin’ny vondrona politika samihafa dia porofon’ny tsy fandriam-pahalemana ara-politika izay mety hiteraka korontana. Manampy trotraka izany ny kolikoly sy ny tsy fitovian-kevitra ara-poko izay mampirongatra ny ady ara-politika ihany koa.
Ao anatin’ny toe-draharaha ara-politika ankehitriny, ny fahalemen’ny andrim-panjakana demokratika dia nitarika fihetsiketsehana sy famoriam-bahoaka nitaky ny hisian’ny rafi-pifidianana mangarahara. Lasa tsy matoky ny governemanta sy ny andrim-panjakana intsony ny olom-pirenena satria mino izy ireo fa tsy re ny feony. Io finoana io dia avy amin’ny tsy fisian’ny marimaritra iraisana eo amin’ny Fanjakana sy ny vahoakany, indrindra amin’ny resaka fitantanana ara-toekarena, fahantrana, tsy fananan’asa. Tsy mahatsapa tena fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana izy ireo, saingy hitany fa miompana kokoa amin’ny tombontsoany manokana ireo mpikambana lehibe ao amin’ny governemanta.
Ho an’ny firenena demokratika dia tsy azo eritreretina ny tsy andraisana hevitra ny vahoaka. Inona anefa no zava-baovao azontsika aroso hanalana ny firenena amin’ny korontana ara-politika? Tsara ho fantatra aloha fa tsy voafetra amin’ny fifidianana ihany ny demokrasia. Mifandraika mivantana na ankolaka amin’izay rehetra mahakasika ny fiainana andavanandron’ny mponina izany. Koa voalohany indrindra, tsy maintsy mametraka ny fitantanana iraisan’ny rehetra izay ahafahan’ny olom-pirenena sy ny mpiara-miombon’antoka hafa hiara-hiasa amin’ny fitondram-panjakana: antoko politika, fiarahamonim-pirenena, haino aman-jery, izay mikendry ny hitadiavana marimaritra iraisana fa tsy manilika na iza na iza.
Avy eo, ilaina ny manabe ny olom-pirenena. Mitana toerana lehibe ny fanabeazana ara-politika satria ahafahan’ny olom-pirenena mahatakatra ny tena zava-misy ara-politika, ny zony ary ny andraikiny. Ny vahoaka mahalala izany dia mandray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’izany mba afahany mandray anjara amim-pahombiazana amin’ny fiainana ara-politika.
Mba hamahana ny disadisa ara-politika dia tsy maintsy mangarahara amin’ny olom-pirenena ihany koa ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana fifampitokisana eo amin’izy ireo. Izy io dia singa tena ilaina izay mitana anjara toerana lehibe amin’ny fampandehanana araka ny tokony ho izy ny demokrasia ary mety hitarika amin’ny fanatsarana ny fari-piainan’ny olom-pirenena. Mety hanamaivana ny disadisa ara-politika ihany koa izany.
