Startup Weekend Antananarivo: Ho voizina mandritra ny hetsika ny mahakasika ny fitantanana ny fako
Hiompana be be kokoa amin’ny fampandrosoana lovain-jafy ny loah-hevitry ny hetsika Startup Weekend Antananarivo (SWAT) amin’ity andiany manaraka ity. Ny 17, 18 ary 19 Novambra izao no hanatanterahana izany hetsika izany. Anisan’ny loha-hevitra ho voizina ao anatin’izany ny mahakasika ny fitantanana ny fako, araka ny voalaza.
“Mifototra be be kokoa amin’ny loha-hevitra hoe Vers une ville durable na ny tanan-dehibe lovain-jafy ny SWAT amin’ity manaraka ity. Ao anatin’izany no hiresahana ireo zana-doha-hevitra maromaro izay mifandray amin’io loha-hevitra io ka izany indrindra no hiompanan’ireo tetik’asan’ny mpandray anjara rehetra » hoy i Harinoro, mpikarakara ny SWAT.
« Resahina ao anatin’ity loha-hevitra ty ny fitantanana ny fako satria misy hifandraisana betsaka amin’ny fampandrosoana, indrindra raha ny resaka tanan-dehibe lovain-jafy. Tafiditra na resahana ao anatin’ity zana-doha-hevitra ity ny fanangonana, ny fikirakirana, ny fanodinana ary ny fanafoanana ireo fako aparitaky ny olom-belona sy ny orinasa ary ny sehatra isan-tsokajiny » hoy hatrany ny fanazavana.
Tsy miova ny fandraisana anjara ho an’ireo manana vina, na tanora na mpandrahadraha na efa tompona orinasa, ao anatin’ny SWAT. Ho an’ireo manan-kevitra na te hitondra ny tetik’asany dia afaka mandray anjara amin’izany avokoa. Mbola azo atao ny misoratra anarana ao amin’ny rohy etsy ambany.
