SocialTsidika

Coupe du monde Slam-Poésie: Tafiakatra amin’ny dingana manasa-dalàna ny solontenan’i Madagasikara

Raha toa ka tafakatra amin’ny dingana famaranana amin’ny fifaninanana mihira “The Voice” ilay tovovavy Malagasy tsara feo, Marghe ; i Aurélie Louise kosa tafakatra amin’ny dingana manasa-dalana amin’ny taranja Slam-Poésie. Tovovavy iray anisan’ireo tena manana aingam-panahy miavaka sy manan-talenta ity tovovavy solon-tenan’ny Madagasikara ity. Miatrika ny fiadina ny tompon-daka eran-tany eo amin’ity taranja slam ity izy amin’izao ary andrandrain’ireo Malagasy maro mankafia ity taranja ity hitondra ny amboaran’ny Slam-Poésie hody eto Madagasiakra. Louis’Z na i Louise Faza no anaran-tsehatra entin’ity solontena Malagasy ity. Anio alina amin’ny 8hsy sasany no hanomboka ity lalao manasa-dalàna ity. Noho ny toe-draharaha misy amin’izao fotoana ihany koa, voatery ity tompon-dakantsika Malagasy amin’ny taranja slam poésie ity manao ny anjarany ampitain-davitra ka amin’izay no hitsarana azy. Rahalina ary izany no fotoanantsika mpankafy slam rehetra ao amin’ny pejy facebook “Grand Poetry Slam” hanaraka ity dingana manasa-dalana ity sady hanohana ny solontenantsika.

Ally Herisoananahary

Laisser un commentaire