Angleterre : Niala tao amin’ny fireneny i Prince Harry
Nandao ny fireneny ary nifindra monina any Etats-Unis niaraka tamin’ny vady aman-janany i Prince Harry na i Henry Charles Albert David izay zanaka faharoan’i Princesse Diana Spencer izay fantatra amin’ny hoe Lady Di sy i Prince Charles. Fahatelo amin’ny filaharana ho mpanjakan’i Angleterre i Prince Harry aorian’ny rainy sy ny zokiny lahimatoa. Niala tao amin’ny fireneny anefa izy noho ny olana ara-pianakaviana misy ka nifindra any Los Angeles any Etats-Unis. Nanambara i Harry omaly alakamisy 13 may fa nampijalian’ny rainy ka tsy mila azy intsony ary nilaza ihnay ko aizy ny tsy hanao toy ny nanaovan’ny rainy azy amin’ireo zanany. Nanjakan’ny didijadona loatra manko tany Grande Bretagne taorian’ny nahafatesan’ny reniny ny taona 1997.
