ActualitésTsidika

Fambolena : Tokony ho betsaka ny vokatra any Androy raha tsy simban’ny biby mpanimba voly

Fotoan’ny orana izao eto madagasikara. Mahazo ny anjarany ihany koa ny any Androy satria tsy mitsahatra ny orana amin’izao fotoana izao. Efa maintso ny tanana izay efa niandry orana ef ela. Tokony tsy hanana olana amin’ny sakafo izy ireo amin’ity taona ity saingy hita fa misedra olana ireo mpamboly ireo amin’izao fotoana izao.

« Mitady ho velom-panantenana izahay amin’izao satria tsy mitsahatra mirotsaka ny orana izay manampy anay amin’ny fikarakarana voly. Hita anefa tato ato fa misy ireo biby kely mpanimba voly izay mety hahatonga ny tsy fahavokaran’ireo vokatra ireo. Ireo katsaka ohatra dia lanin’ireo « chenilles légionnaires » ka simba daholo. Tsy ny katsaka irery fa ireo voly maro isan-karazany dia simbain’izy ireo avokoa », hoy ny solontenan’ireo tantsaha avy ao Androy.

« Loza mitatao ho an’ny Androy ny « insécurité alimentaire ». Avy ny orana ary mahatsara zavatra izany mba hialana amin’ilay loza. Saingy misy ireo biby mpanimba voly ireo dia manana olana ny mpamboly. Raha tsy misy anefa ireo biby ireo dia mety tsy ho ny taona 2023 irery no vitan’ny vokatra amin’ity taona ity fa azo antoka ny taona 2024 sy ny manaraka ho avy rehetra », hoy ny Governoran’ny faritra.

Efa manao ezaka ny tompon’andraikitra sy ireo avy ao amin’ny Ministeran’ny Fambolena any an-toerana amin’ny famongorana ireo biby ireo saingy mivoatra haingana loatra izy ireo ka tsy araka. Izany no,ilaina ny fanampiana na ara-pitaovana na ara-olona mba hahafahana manavotra ireo voly sasany izay mbola tsy tratran’ny biby.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire