Fambolena : Efa handeha ny fiotazana ny vary aloha hanala fahasahiranana
Dépêche 11 janvier, 11h, Anisan’ny andrasan’ny olona maro ny vary aloha izay mety hanala ny fahasahiranana amin’ny fahalafosan’ny vary amin’izao fotoana izao. Mora kokoa noho ny vary tranainy ny vary aloha ka izany no hiandrasan’ny be sy ny maro azy io. Raha jerena ny eny anivon’ny tsena dia tonga hatramin’ny 850ar ny kapoakan’ny makalioka sy ny dista kanefa raha tongan y vary aloha dia tsy mihoatra ny 700ar izany. Tokony hampitomboana ihany koa ny vokatra isan-taona hahafahana manatratra izany tanjona amin’ny fampihenana ny fandaniana izany.
