Dépêches

Anosy – Ambohijatovo : Najanona ho 500 ariary ny vidim-pidirana nandritra ny fety

Dépêche 11 avril, 13h, Mba ahafahan’ny rehetra mianoka ny fetin’ny Paka am-pilaminana sy am-pitoniana dia nahitsy ho 500 ariary avokoany vidim-pidirana teny amin’ny Zaridainan’Anosy sy Ambohijatovo nandritra ny fety. Tanjona iray lehibe ihany koa ny mba hahafahan’ny rehetra misitraka ny toerana. Nalalaka ihany koa ny fahafahana misitraka ny toerana satria tsy norarana ny fanitsahana ny bozaka ho an’ireo mpisitraka rehetra. Hipoka olona tokoa teny an-toerana nandritra ny fety izay samy nahazo ny tiany avokoa ny rehetra hatramin’ny ankizy ka hatramin’ny olon-dehibe.

Laisser un commentaire