ActualitésTsidika

Fanatanjahantena : Nisitraka fanamafisam-pahalalana ireo mpitsara « beach soccer » Malagasy

Nanomboka ny 4 aprily teo hatramin’ny 8 aprily dia nifamotoana tany Toamasina ireo mpitsara ny taranja « beach soccer » Malagasy. Nisitraka fanamafisam-pahalalana avy amin’ny FIFA ireo mpitsara ireo tamin’ny alalan’ny Cours Ma 2023. Miisa 25 ireo nisitraka izany fampiofanana izany.

« Ny tanjona tamin’izao fampiofanana iraisam-pirenena izao dia ny mba ahafahana manatsara ny tolotra amin’ity taranja ity. Hahafahana ihany koa mamoaka mpitsara matihanina sy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Raha ny fanambaran’ny FIFA tokoa dia tokony hitovy avokoa ny fomba fitsaran’ny mpitsara rehetra amin’ity taranja ity », hoy ny avy ao amin’ny Federasiona Malagasin’ny baolina kitra.

Eto Madagasikara dia mbola tsy manana ny toerany betsaka ity taranja ity, kanefa dia azo atao tsara ny mamehy izany. Izany indrindra no ilaina ny mpitsara matihanina afaka hanatsara ny kalitaon’ny zava-bitany eny an-kianja, ho fahombiazana amin’ireo fifaninanana samihafa ihany koa. « Niatomboka tamin’ny fampiasam-batana ny fampiofanana hahafahana mandrefy ny zava-bitan’izy ireo. Tokony haharaka ny lalao rehetra miseho eny ambony kianja ny mpitsara. Nitohy tamin’ny fampiharana eny ambony kianja ireo lesona natolotra ary nifarana tamin’ny tombana natao tamin’ny tsirairay izany fampiofanana izany. Izany hoe ny Fitness Test, RSA, CODA ary ny ARIET no nohamafisina tamin’izany », hoy hatrany ny fanazavana.

Marihina moa fa mpampiofana avy amin’ny FIFA iraisam-pirenena mihitsy no nanolotra izany fampiofanana izany. Lalana iray natao indrindra hamiroboroboana ity taranja ity izao hetsika izao ka tokony hitondra soa ho an’ny mpilalao ihany koa izany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire