Ambositra : Vehivavy sahy nanary ny zanany vao teraka tao anaty lakan-drano
Betsaka ireo nanome tsiny ilay vehivavy, izay tsy fantatra, nahavita nanary ny menaky ny ainy tao anaty lakan-drano tany Ambositra ny 28 novambra lasa teo. Zaza vao teraka mihitsy ity nariana ity, ary mbola velona soa aman-tsara kanefa izao nariana izao.
« Tena tsy mety kosa aloha ilay manary zaza tsy manan-tsiny tahaka izao. Isika lehibe no tsy mahay mitandrina dia ny zaza menavava no mizaka ny vokany. Tokony mitandrina rehefa tsy mbola te hitaiza » hoy i Vololona, renim-pianakaviana monina any Ambohimpiarenana Ambositra. « Efa betsaka ny karazana fandrindram-piterana mandeha amin’ny onjam-peo ka tsy tokony hisy zaza ariana tahaka izao intsony, mila mandray andraikitra amin’ny taranany ny renim-pianakaviana fa tsy sanatria faly hametraka vesatra ho an’ny hafa fotsiny » hoy i Rado tao anaty tambajotran-tserasera facebook.
« Tsy tokony ho ekena ary enjehin’ny lalàna ny fanariana zaza tahaka izao, farafaharatsiny aterina any amin’ny akany fitaizana zaza izy rehefa tena tsy vita » hoy i Fanja, mpahay lalàna. Sarobidy eo ambony lalàna tokoa ny olombelona tsirairay eny fan a ny zaza menavava aza dia efa manan-jo ho arovana ka tsy tokony ho atao tsinotsinona tahaka izao. Rahoviana vao tsy hisy intsony ny fanarian-jaza tahaka izao ?
Nicole Rafalimananjara
