RN44 : Ratsy ny lalana, mitaraina ireo mpitatitra
Ratsy, ary vao maika ratsy tanteraka, ny lalam-pirenena faha-44 izay mampitohy an’i Moramanga sy Amboavory taorian’ireny rotsak’orana nifanesy ireny. Sahirana ireo mpitatitra ny vokatra satria tena sarotra ny lalana ka ela vao tonga any amin’ny tokony aleha.
« Efa mijaly foana izahay kanefa tsy misy mihitsy ny fanavaozana sy ny fanamboaran-dalana hanaraka amin’ny maha lalam-pirenena azy tokoa » hoy i Sylvain, mpitatitra. « Tena ratsy ny lalana aty ka mijaly izahay mponina, indrindra manoloana ny fitaterana ny vokatray, izay hany fivelomana kelinay, ka miantso ny tompon’andraiki-panjakana mba tsy hanampin-tsofina amin’izao antso avo izao » hoy i Johary, mponina ao Amboavory.
« Efa saika hahenoana fitarainana foana io RN44 io, kanefa tsy misy vahaolana hatramin’izao hany ka mikatso ny fandrosoana tokony hiditra eto amin’ny firenena » hoy i Patrick, manam-pahaizana mikasika ny fampandrosoana lovainjafy. Antoky ny fampadrosoana tokoa ny fahatsaran’ny lalana ary indrindra ny fanarahana ny fenitra amin’izany fampandrosoana izany. Isika rehetra no mila miara-mientana ho amin’ny fampandrosoana fa tsy sanatria ny mpitondra irery akory kanefa tompon’andraikitra voalohany amin’ny firenena izay voafidim-bahoaka hitondra ny firenena.
Nicole Rafalimananjara
