SocialTsidika

Fanadiovana : Mila manaiky ny rehetra fa tsy tokony hanary ny fako sy maloto eny rehetra eny

Nanatanteraka fanadiovana ny moron’Ikopa nanomboka teny Anosizato hatrany amin’ny sampanana misy ny tsenan’ny asa Ambohitrimanjaka ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Union Européenne ary ny rantsamangakaika maro samihafa, nampian’ireo orinasa sy olon-tsotra. Maloto tokoa ny morondrano, ka sady nodiovina no nisy ny fanentanana tsy handotoana izany intsony.

« Ny Tanjona amin’izao hetsika izao dia ny ho fanentanana ny rehetra mba hanaja ny fahadiovan’ny morondrano, indrindra ny tsy hanariana ireo fako sy loto isan-karazany ao amin’ny reniranon’Ikopa, noho ity farany izay miantoka ny fiveloman’ireo zavamananaina maro ao anatiny amin’ireo toerana rehetra lalovany hatrany amin’ny farany » hoy ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Andriatsitohaina Naina. « Mila fanabeazana sy fanovana toe-tsaina mihitsy eto amintsika eto satria ny manadio anie ka mora ihany fa ilay mandoto mihitys no tena mila foanana, tsy vahaolana maharitra amin’ny fahadiovan’ny tanàna mihitsy aloha izany manadio izany raha mbola mitohy foana ny fandotoana » hoy i Angelo, mpampianatra eny amin’ny anjerimanontolo. « Tokony hisy ny fanaraha-maso ny toerana rehetra, ary apetraka ny sazy ho an’ireo izay tratra mandoto na hatramin’ny mpanao maloto eny an-dalambe eny aza » hoy i Lantosoa, mpianatra mpikaroka mikasika ny fahadiovana sy ny fidiovana.

Miainga amin’ny toe-tsaina tokoa ny fanovana ary ny rehetra, ary mila mahay manaiky fa mila mandroso i Madagasikara. Zava-poana mantsy ny ezaka ataon’olon-tokana raha ny mpiray firenena aminy aza tsy mieritreritra ny handroso mihitsy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire