ActualitésTsidika

Avaradrano : Raraka nanoloana an’i Masindray i Talata Volonondry

Mitohy hatrany ny lalao baolina kitra hifaninanan’ny Kaominina rehetra ao Avaradrano. Nivoaka ho mpandresy nanoloana ny kaominina Talata Volonondry tamin’ny isa 4 noho ny 3 ny kaominina Masindray.

« Mitohy hatrany ny ezaka izay isaorana ireo mpitondra fanjakana rehetra eto amin’ny Kaominina Masindray izany ary tadidio fa ny firaisan-kina no hery » hoy i Fidy, mponina ao Masindray. « Mila miaro ny voninahitry ny Kaominina avy ny tsirairay, ary izany no mitombo tsikelikely ho lasa voninahitry ny firenena. Ny fanatanjahan-tena tahaka izao dia ahafahana mampandroso ny firenena » hoy i Sitraka, mpilalao baolina ao Talata Volonondry. « Fanamafisana hatrany ny firalahiana eto Avaradrano no nanaovana ity lalao ity ary isan’ny fomba iray ho entina hampandrosoana ny Distrika iray manontolo mihitsy » hoy ireo mpikarakara.

Lalao ara-pirahalahiana tokoa ka izay nandresy tsy hobiana ary izay resy tsy hankoraina. Tsy tokony hisy ny ady mandritra ny lalao fa tokony samy mahay mankafy ny lalao rehetra.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire