ActualitésTsidika

BTC Ambohimangakely : Efa misoratra ny fisoratana anarana ho an’ny fianarana manamboatra « nem » sy « sambos »

Tsy mitsahatra manome fampiofanana ho entina hampivelarana sy hampandrosoana ireo tanora sy ny mponina ao Avaradrano ny fikambanana BTC. Azo atao tsara ny mivelona amin’ny alalan’ny talenta sy ny fahaiza-manao toy ny fanamboarana sakafo izay ampianarin’ny BTC Ambohimangakely.

« Efa afaka misoratra anarana isika izay liana amin’ny fanamboarana nem sy sambos ka maniry te hanangana tsena kely na te hahay fotsiny satria efa ho avy ity ny fety ka mila mahay tsakitsaky isika » hoy i Félicien, mpitantana ny BTC Ambohimangakely. « Tena mandeha izao ny tsenan’ny nem sy ny sambos amin’izao efa fety izao satria maro ireo manafatra » hoy i Sabinah, isan’ireo maniry hiofana.

« Tsara raha mivelona amin’ny tenantsika ihany isika ka izay no hitarina ho lasa lavitra kokoa » hoy i Hellarion, mpianatra fitantanana eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Mbola betsaka ny sampam-piofanana, na ara-kolotoraly io na arak’asa, atolotry ny BTC ho an’ny mponina eto Avaradrano, toy ny fianarana haiady izay efa misoratra ihany koa ny fisoratana anarana. Tena ilaina tokoa ny milona aoa anaty zava-kanto indrindra fa ao mihitsy no miasa mamelona ny tena.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire