ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Nankalazaina tao amin’ny EPP Andranovelona ny andro maneran-tany ho an’ny fanasan-tanana miaraka amin’ny savony sy ny andro maneran-tany ho an’ny toeram-pivoahana sy ny fivoahana

Teny amin’ny EPP Andranovelona no toerana nosafidina entina manamarika ny « Andro manerantany ho an’ny fanasan-tanana miaraka amin’ny savony » sy ny « Andro manerantany ho an’ny toeram-pidiovana sy fivoahana » tao amin’ny Kaominina Ankadikely-Ilafy.

Zava-dehibe indrindra eo amin’ny fahasalaman’ny ankizy tokoa ny fanasan-tanana, mba ahafahan’izy ireo miatrika am-pilaminana ny hoaviny. « Nentanina sy nampianarina ireo mpianatra ho an’ny fomba fanasan-tanana mahomby izay tokony ho atao fahazarana » hoy ny mpiampianatra. « Tokony taizana sy beazina hatrany ny ankizy tsy hanao maloto amin’ny toerana tsy tokony hanaovana izany fa hahay hampiasa mandrakariva ny toeram-pivoahana natokana ho amin’izany » hoy ny Ben’ny tanànan’Ankadikely Ilafy, Rajaonah Rija.

« Ny fankalazana dia natao ho fanamarihana ny andro fotsiny ihany, fa ny fitohizan’ny fanentanana kosa dia ho an’ny rehetra sy ho an’ireo mpianatra manerana ny kaominin sy ny ZAP » ho ny sefo ZAF izay isan’ny niara-nientana tamin’ity fanentanana ity. Isika lehibe tokoa no tena tokony hahay hitarika ireo ankizy eny amin’ny EPP hahay hanasa ny tanany sady ny valan’aretina covid-19 rahateo mbola misy eto amintsika, ka ny fanasan-tanana dia fomba iray hisorohana izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire