SportTsidika

Ambohimanambola : Efa tafaverina tanteraka ny tontolon’ny Basket

Somary nangingina teo aloha ny taranja basketball tao Ambohimanambola. Ankehitriny, efa manana ny lazany tokoa izany ankehitriny ary saika misy lalao foana aza matetika.

« Tsy tamin’ny fetim-pirenena ihany akory no tokony hisy lalao basket.  Misy izao ny lalao amin’ny alahady 10 Jolay 2022. Bestaka ireo handray anjara izay hanasana antsika rehetra ho tonga amin’izany » hoy ny avy ao amin’ny B-Lain production Ambohimanambola. « Efa tafaverina tanteraka ny lazan’ny Basket eto Ambohimanambola. Manampy betsaka ny fitaizana ara-batana sy ara-tsaina ireo tanora tokoa mantsy ity fanatanjahan-tena iray ity » hoy i Alain, mponina ao Ambohimanambola.

Hanomboka amin’ny 10 ora maraina ny lalao amin’io 10 jolay 2022 io. Betsaka ireo ekipa avy ao an-toerana sy avy any ivelany handray anjara amin’izany. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire