Fampandrosoana : Hanohana an’i Madagasikara ny Banky iraisam-pirenena
08 Jolay, 15h00, Hanohana an’i Madagasikara amin’ny fanatanterahana ireo fanavaozana sy ireo fandaharan’asam-papandrosoana rehetra ho an’ny fanarenana ny firenena malagasy ny Banky iraisam-pirenena. Io no anisan’ny nivoitra nandritra ny fihaonan’ny Praiminisitra Ntsay Christian tamin’ny Banky iraisam-pirenena tany Dakar ny 7 jolay 2022. Teo ihany koa ny fanaovana jery todika mahakasika ny fiaraha-miasa nisy hatrizay teo amin’ny roa tonta.
