Dépêches

Sahalava Fianarantsoa : Olona roa nangady volamena, tototry ny tany

28 Janoary, 13h00. Olona roa no nangady volamena tany amin’ny kaominina Sahalava Fianarantsoa ny alarobia 26 janoary teo tamin’ny 10 ora maraina. Nataon’izy ireo teo amoron’ny vavan’ny lavaka ny ranon-tany ka niverina nikorisa nirotsaka tao anatiny. Efa lasa lalina ny lavaka ka sarotra ho azy roalahy ny nanavotra ny tenany. Ny alakamisy maraina teo vao hita faty ny iray tamin’izy ireo rehefa nosokirin’ny vatan-dehilahy matanjaka tao an-toerana. Mbola mitohy kosa ny fitadiavana ny iray.

Laisser un commentaire