Dépêches

Toetr’andro : Hisy orana madinika any amin’ny sisiny Atsinanan’ny Nosy hatramin’ny alakamisy

Dépêche 06 juin, 12h, Araka ny fanambaran’ny avy ao amin’ny Sampana mpamantatra ny toetr’andro dia ahitana orana madinika ny ao amin’ny faritra Atsinanan’ny Nosy hatramin’ny alakamisy izao. Ankoatra ny amin’io faritra io ihany koa anefa dia ahitana orana ihany koa iny ilany Morontsiraka Avaratra Atsinanana iny. Herikerika no ho azon’ny afovoan-tany ary ho tsara kosa ny andro amin’ny faritra sasany. Araka izany dia hiovaova ny mari-pana, indrindra efa ririnina izao ka tokony hiomanana izany. Hiverina ho maina ny toetr’andro aorian’ny alakamisy io.

Laisser un commentaire