Oniversite Toliara: Nipoapoaka ny grenady
15 Jona, 12 h15. Mbola nitohy tamin’ity tolakandro ity ny fitakiana vatsim-pianarana 5 volana sy fankatoavana ny diplaoma Master 2 ataon’ireo mpianatra avy ao amin’ny Oniversiten’i Maninday Toliara. Nipoapoaka ny grenady fanaparitahana azy ireo teny amin’ny làlana mankany amin’ny Campus. Maromaro ireo mpitandro filaminana no naratra vokatry ny tora-bato sy tifitra pilotra nataon’ireo mpianatra. Misy tamin’ireto farany ihany koa no voasambotra sy naratra.
