La Réunion : Mihemotra amin’ny 9 jolay ny fitsarana ilay mpiasam-panjakana voarohirohy amin’ny fanondranana zava-mahadimelina
Tokony notsaraina androany 14 jona ilay mpiasam-panjakana ao Saint-Louis. Voarohirohy tamin’ny resaka fanondranana zava-mahadomelina izy ity. Olona efa voarohirohy manodidina ny 30 taona eo ho eo ity tokony ho tsaraina androany 14 jona ity rehefa avy notazomina vonjimaika ny faran’ny herinandro lasa teo. Tao aorian’ny fanadihadina lava sy maharitra nataon’ny brigadin’ny fikarohana any Saint-Pierre no nisamborana ity olona ity ny herinandro lasa teo. Efa nahiahiana nandritra ny 2 taona ho tafiditra ao anatin’ilay raharaha fanondranana zava-mahadomelina isan-karazany izy: cannabis, cocaine, ecstasy. Raha tokony ho tsaraina irery izy androany, 2 amin’ireo mpiray tsikombakomba aminy sy mpandray ireo entana aondrany 16 no samy ho voaantso amin’ny fitsarana manaraka. Mety ahazo sazy 10 taona an-tranomaizina sy onitra 75 000 euros ity olona voaheloka ity.
