La Réunion : Hisitraka taratasim-bolan-tsolika ny mponina ao Sainte-Rose
Roa taona izao no nisian’ny fanomezana taratasim-bolan-tsolika ny mponina tao amin’ny tanànan’i Sainte-Rose. Ho an’ity taona 2022 ity dia manomboka ny 17 oktobra izao ny fisoratana anarana amin’ny fisitrahana izany ary tsy hifarana raha tsy ny 30 novambra. Mety ahazoana taratasim-bola hatramin’ny 300 Euros io tolotra io, ary vola 100 000 euros no nantontan’ireo tompon’andraikitra ho an’izany amin’ity taona ity.
Misy nefa ny fepetra mifehy ny fahazoana io taratasim-bola io. Ireo mponina ao Sainte-Rose ihany no afaka misitra izany, mila feno ny taratasin’ny fiarany, miasa any amin’ny 30 km maherin’ny kaominina izy (mandroso sy miverina) ary mikarama latsaka na mira 2000 Euros isam-bolana.
