ActualitésTsidika

Talata Volonondry : Mizotra ny asa fananganana ny EPP Falimanjaka

Ao anatin’ny fananganana tanteraka ny trano fianarana, izay atao hoe EPP Falimanjaka ny ao amin’ny kaominina Talata Volonondry amin’izao fotoana izao. Mizotra hatrany ny asa ary tsy mikely soroka ny amin’ny fanamboarana izany ireo tompon’andraikitra.

« Mizotra hatrany ny asa ankehitriny ary manentana ireo mponina sy ireo izay tokony hanana anjara biriky amin’izany mba handray anjara satria ho soa ho an’ny taranaka fara mandimby ny fahavitan’ny trano fianarana toa izao » hoy ny avy ao amin’ny kaominina.

« Manana anjara andraikitra amin’ny fananganana tahaka izao ny olom-pirenena tsirairay avy. Azo atao tsara ny mifanome tanana, mifanohana indrindra ho an’ireo izay manana fahafahana mba hametraka sy hitondra izay voarambin’ny tanana satria lova ho an’ny taranaka » hoy i Odon, zokiolona.

Lova tsara indrindra ny fianarana, hoy ny Malagasy. Tsy tokony atao ambanin-javatra tokoa ny fanarenana foto-drafitr’asa mahakasika izany. Raha misy mahalala tanana tokoa, ny lafin’ny fampianarana sy ny fanabeazana eto amintsika no andao hifanomezan-tanana.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire