Ambohimangakely : Tontosa soa aman-tsara ny hetsika Sakafom-pifaliana 2022
Nanatontosa ny sakafom-pifaliana 2022, ny tao amin’ny kaominina Ambohimangakely, izay notarihin’ireo avy amin’ny fiadidiana ny tanàna, tamin’ny alarobia lasa teo. Efa fanao isan-taona amin’ireo fokontany 18 izay mandrafitra ny kaominina ny hetsika, raha ny voalaza.
« Nandritra ny hetsika tamin’ity indray mitoraka ity dia toerana 6 no nanatanterahana izany, ary mponina manodidina ny 7 000 no nampisakafoana sy notolorana fanomezana, izay hisaorana manokana ireo mpiara-miombonantoka tamin’izany » hoy ireo tompon’andraikitra avy amin’ny kaominina.
« Anisan’ny fotoana iarahan’ny mpiara-monina mifaly ny fotoana tahaka izao, ary manome lanja ny fifanohanana sy ny firaha-mientana koa dia hisaorana ireo mpikarakara » hoy i Rija, mponina ao Ambohimangakely.
Fotoana anisan’ny mahavorilanona ny mponina ny hetsika tahaka izao. Tsara araka izany, raha amin’ny fotoana tahaka izao no hanararaotana hanaovana fanentanana ny mponina amin’ny fiaraha-mientana amin’ireo fandraisana andraikitra isan-karazany eny anivon’ny fokontany eny.
Manitra Ramanantsoa
