Fanabeazana : Mora kokoa ny manabe zaza miramirana noho ny manabe olon-dehibe feno alahelo
« Mora kokoa ny manabe zaza miramirana noho ny manabe olon-dehibe feno alahelo ». Izany no votoatin’ilay boky vaovao izay ho avoakan’i Ashley Razafindrabe.
Ashley Razafindrabe izay « psychologue clinicienne » ka efa mahafehy tsara ny atao hoe « fihetseham-po ». Ity boky ity no navoaka mba ho an’ny ankizy tsy hanana tahotra hamoaka izay ao am-pony ka nomena ny lohateny hoe « henoiko ny fihetseham-poko » na hoe « à l’écoute de mes émotions ».
« Ny fihetseham-po tsy avoaka miteraka aretina na ara-tsaina izany na ara-toe-po. Tanjona amin’ny famoahana ity boky ity dia ny mba ahafahan’ny ankizy kely mampiseho izay fihetseham-pony, satria raha tsy havoaka ireny dia voatahiry ao am-pony ao ka lasa manana alahelo izy na hatezerana mandrakizay izay miteraka olana goavana amin’ny fivoarany izany », hoy i Ashley Razafindrabe.
« Tsy voatery ny ankizy irery no afaka mandray lesona ato anatin’ity boky ity fa na ireo Ray aman-dReny ihany koa aza mba hahafahany manana hevitra mahakasika ny mahazo ireo zanany sy mba hahafahany mandray ny andraikitra mahaksika izany », hoy hatrany ny fanazavana.
« Tena liana aho amin’ity boky ity na dia efa lehibe daholo aza ny zanako. Mbola ilaiko izy io hahafahako miresaka amin’ireo zanako ireo mba hivoarany. Mety hampisy fifandraisana tsaratsara kokoa ho anay sy ny zanako ihany koa izany amin’ny alalan’ny lesona maro azoko tsoahina ao amin’ilay boky » hoy i Sonya, renim-pianakaviana.
Eto amin’ny kolontsaina sy ny fahazarana Malagasy dia ny olona raha maneho fihetseham-po dia olona malemy izy. Tsy misy tokony mahamenatra anefa ny maneho izany satria amin’ny alalan’izany no ahafahan’ny olona manampy. Ilaina ihany koa ny mamoaka izay ao am-po mba tsy hananana lolom-po izay toetra iray tsy mety mampandroso mihitsy na oviana na oviana sady miteraka adin-tsaina tsy mampivoatra.
Miora Raharisolo
