SocialTsidika

Sabotsy Namehana: Voafehy ny fitsaram-bahoaka

Nitroatra ireo vahoaka tao Sabotsy Namehana taorian’ny naharenesana fa hita ny vata-mangatatsiak’i Randriamanantsoa Tafita Sarobidy. Voafehy anefa ny fitsaram-bahoaka rehefa niditra an-tsehatra ny ben’ny tanàna ao Sabotsy Namehana sy ireo mpitandro filaminana.

Tsiahivina fa tamin’ny 8 jona no nampilaza ny ray aman-drenin’ity zazalahy 11 taona fa tsy hita ny zanany. Teny amin’ny reniranon’i Mamba no nahitana azy ny marainan’ny 13 jona. Ny fahatezerana noho ny fanimbana ny volin-drongon’ilay mpampiasa azy no ambara fa nitarika ny fikasian-tanana sy fampijaliana io zazalahy kely io. « Efa atao andrimaso ireo voarohirohy tamin’ity raharaha ity. Notazomina ihany koa ny reniny sy ny mpanampy telo lahy » hoy ny avy ao amin’ny Zandarimaria.

« Mangataka ny fitoniantsika hatrany izahay. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny voarohirohy. Tsy vahaolana ny fitsaram-bahoaka. Tsy mbola meloka ny olona iray raha tsy efa miakatra fitsarana » hoy ny ben’ny tanàna ao Sabotsy Namehana, Andriamosa Avotraina. Nodoran’ny fokonolona ny fiara roa izay an’ilay olona voarohirohy. Nangataka fitsaram- bahoaka ny Fokonolona noho ny tsy fanekena izao habibiana izao.

Marihina fa vao mbola tsy ampy taona i Sarobidy kanefa efa miasa aman’olona sahady. Mila fanaraha-maso ny fampiharana ny lalàna eto Madagasikara mba ahafahana miaro ireo marefo, indrindra ny ankizy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire