Ankadikely Ilafy : Hisy ny lanonana karakarain’ny kaominina amin’ny 26 jona
Hisy ny lanonana izay karakarain’ny kaominina Ankadikely Ilafy ho fanamarihana ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona 2022. Eny amin’ny kianjan’ny Fifankatiavana Ankadikely no hanaovana izany ny 25 jona amin’ny 3 ora hariva
« Manasa ny mponina rehetra eto amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy sy ny manodidina ho tonga hankalaza ny lanonana fanamarihana ny fetim-pirenena 2022. Hisy ny fampisehoana sy ny fanentanana isan-karazany, ary indrindra ny afomanga mandritra io fotoana io » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. « Hofaranana amin’io fotoana io ihany koa ny lalao baolina kitra « tournoi 26 jona » ary hotolorana ho an’izay mpandresy ny amboara. Miezaka hatrany mampiala voly sy mampifaly ary miara-mikorana amin’ny mponina foana ny kaominina » hoy hatrany izy ireo.
Ho tonga hanafana ny lanonana ihany koa ireo mpanakanto avy any Ankadikely Ilafy. Samy miezaka mampivondrona ny mponina ao aminy amin’izao Asaramanitra izao ny kaominina tsirairay eto amin’ny Distrika Avaradrano.
Hasina Rasamimanana
