Fandraharahana: Tontosa ny Tsenaben’ny fampiasam-bola tao Ankadikely
Vita soa aman-tsara ny tsenaben’ny fampiasam-bola andiany voalohany tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Marihina fa ny « Ninety Concept Studios » no nikarakara ity hetsika ity ho fanohanana ireo mpandraharaha Malagasy.
« Zava-dehibe eo amin’ny sehatry ny asa tokoa ny fampirantiana ireo vokatra malagasy ataon’ireo mpandraharaha Malagasy. Manampy indrindra amin’ny fampananana asa ny mponina izany » hoy ny avy ao amin’ny fitalevam-paritry ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fampiofanana arak’asa. « Manohana hatrany ireo tanora izahay. Misokatra ihany koa ny amin’ny fiaraha-miasa rehetra mba hahafahan’ny rehetra mandray anjara sy mitondra fampandrosoana indrindra ho an’ny tanora toy izao » hoy ny ben’ny tanànan’Ankadikely Ilafy.
Tao Ankadikely Ilafy no nanombohana ity hetsika ity. Reharehan’ny tanàna tokoa satria tsy vitsy ireo mpandraharaha sy mpanao asa tanana ao an-toerana.
Nicole Rafalimananjara
