ActualitésTsidika

Manakara : Tra-pahavoazana noho ny rivo-doza indray

Mbola mitohy ny rotsak’orana ao Manakara androany 23 febroary 2022 na dia somary efa tony aza ny rivotra. Betsaka ny fahavoazana hita tany an-toerana noho ny fandalovan’ny rivo-doza Emnati toy ny hazo tapaka, ny fiakaran’ny rano, ny trano nirodana, ny lalana nihotsaka.

« Tonga teto Manakara alina manko ny rivo-doza. Efa nanomboka omaly talata no nisy ny orana mikija. Tafiditra tao anatin’ny faritra mena i Manakara. Mponina maherin’ny 7 000 no voatery nafindra toerana » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny Faritra Vatovavy. « Efa nanomboka ny talata hatramin’izao no tapaka ny jiro teto Mananjary. Sarotra ihany koa ny tamba-jotran-telefaonina eto amin’izao. Efa manomboka mivoaka manarina izay azo atao ny mponina amin’izao » hoy i Mika, mponina ao Mananjary.

Efa tafiditra ao anatin’ny fanambarana miloko manga ny faritra Vatovavy amin’izao. Mila mitandrina hatrany amin’ny mety ho aterakin’ny fahavoazana. Mbola miakatra rahateo ny rano amin’izao. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire