Fampianarana ambony : Miato avokoa ny fampianarana any amin’ireo faritra tandindomin-doza
Mitsahatra avokoa ny asa sy ny fampianarana manerana ireo Oniversite sy ny « Instituts Supérieurs de Technologie » na ny IST manerana ireo faritra tandindomin-doza noho ny rivo-doza Emnati manomboka androany 23 febroary.
Mihatra any amin’ireo faritra mena sy mavo ity fepetra nomen’ny Ministeran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ity. « Miankina amin’ny toetr’andro ny fanohizana indray ny fampianarana. Ny Oniversite tsirairay no manapaka ny tokony ho atao manaraka ny toetr’andro any aminy avy » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.
« Mbola ao anatin’ny faritra atahorana ny faritra Fitovavy, Atsimo Atsinanana, Matsiatra Ambony, Ihorombe, Anôsy, Androy. Manampy izany ihany koa ny Distrika Benenitra, Betioky, Ampanihy. Mila mitandrina tsara ihany koa ny ao ami’nny Distrika Morombe, Ankazoabo, Sakaraha, Toliara I sy II ary Beroroha » hoy ny avy ao amin’ny sampana mpamantatra toetr’andro.
Marihina hatrany fa ireo Filan-kevitra Siantifika no manampafantatra ny mpianatra ao aminy manodidina ny famerenana ny fampianarana.
Nicole Rafalimananjara
