Mandroseza : Ho ampiakarina ny tosiky ny rano
Hiasa avy hatrany ilay paompy vaovao napetraka tao amin’ny toby famokarana sy fanadiovan-drano fanampiny ao Mandroseza II Bis, mba ahafahana mampiakatra ny tosiky ny rano mivoaka ao amin’ny ozinina Mandroseza.
Mitohy hatrany ny ezaka mba hisitrahan’ny mpanjifan’ny Jirama ny rano fisotro madio, izay mampitaraina ny maro ny tsy fahampiany. « Mialohan’ny fetin’ity faran’ity taona ity kosa no ho vitaina tanteraka io toby fanadiovan-drano vaovao mahazaka 40 000 m3 isan’andro io, izay hanampy ny vokatra rano hamatsiana an’Antananarivo sy ny manodidina » hoy ny tompon’andraikitra eo amin’ny Jirama. « Mitohy hatrany ny fanatanterahana ireo vahaolana fohy ezaka, dia ny fizarana rano amin’ny alalan’ny fiara vaventy mba ahafahan’ny mponina mipetraka amin’ireo faritra menan’ny famatsian-drano misitraka rano, ka isan’izany ny eny Ankatso I » hoy ny Ministeran’ny rano. « Tena mampijaly ny rano, tena tokony tsy hiandry ela fa omena vahaolana haingana ny mponina fa ny rano no aina » hoy i Ando, mponina ao Ankatso I.
Tsy mbola voavaha ny olan’ny rano, saingy efa miezaka kosa ny orinasan’ny Jirama. Irariana anefa ny mba hisitrahan’ny olon-drehetra izay rano madio izany, fa tsy sanatria ho an’ireo izay mitokona ihany.
Nicole Rafalimananjara
