Alasora : Nahitana fatin’olona tao Ambodivoara
Fatin’olona iray no hitan’ny mponina teny amin’ny manodidina ny fokontany Ambodivoara, kaominina Alasora, omaly maraina. Taoriana ny fizahana ny razana nataon’ireo tomponandraikitra, dia fantatra fa maty an-drano ity lehilahy 30 taona ity.
« Maro ny fanotaniana mipetraka manoloana izao tranga izao. Hisaorana anefa ny tomponandraikitra tonga ara-potoana nijery ny zava-misy satria mampisavorovoro ny sain’ny mponina ny zava-misy tahaka izao » hoy i Lahatra, mponina eny amin’ny manodidina.
« Ny tranga toa izao no manamarika ny tsy fisian’ny fandriam-pahalemana. Efa fanindroany izao no nahitana fatin’olona tety Alasora. antony maro no mety mahatonga izany saingy tokony handray fepetra ireo mpitandro filaminana satria mitaintaina ireo mponina » hoy i Hasina, mponina ao Alasora.
Marihina moa, fa ny herinandro lasa teo, nahitana fatim-behivavy iray ihany koa tao amin’ny lalana Alasora. Ity farany izay noheverina ho nisy namono tany an-toerana hafa ka nisy nanipy tao an-toerana.
