PolitiqueTatitra

Haïti : Notafihin’ireo « gangs » ny akademian’ny polisy

Notafihin’ireo jiolahy mitam-piadiana ny akademian’ny polisy tao Port-au-Prince, renivohitr’i Haïti, ny talata teo. Voafetra ny fahazoana mivezivezy tao amin’ity toerana ity, kanefa nanaovan’ireo jiolahy hamboletra ka namoahan’izy ireo, ireo voafonja an’arivony tao an-toerana ary nikasa ihany koa ny haka ny seram-piaramanidina. Nofehezin’ireto jiolahy ireto ny faritra maro, hatramin’ny renivohitra, tao an-toerana, andro maromaro izao. Tamin’ny fotoana nanafihan’ireo jiolahy tao amin’ny akademian’ny polisy io, nilaza izy ireo fa hanala ny praiministra amin’ny fahefany no tanjon’izy ireo ; izany ihany koa dia misy hifandraisany amin’ny raharaha famonoana ny filoha Jovenel Moise, ny taona 2021, ary tsy tokony ho eo amin’ny fitondrana intsony ity praiministra ity.

Laisser un commentaire