ActualitésTatitra

Colombie : Nitady fifampirarahana ny governemanta, nanokatra fandihadihana tsy miankina ny ONU

Nivory tany Bogota ny governemanta sy ny solontenan’ireo mpanao fihetsiketsehana omaly Alahady 30 Mey taorian’izay herinandro nitsaharana izay. Nitady fifampiraharahana ny governemantan’i Colombie niaraka tamin’ny ampahany tamin’ny mpanao fihetsiketsehana tamin’ny korotana nisy teo amin’ny firenena tany Colombie. Nanokatra fanadihadihana tsy miankina kosa ny vondron’ny firenena mikambana taorin’ny nahafatesan’olona 13 tamin’ny zoma lasa teo ireny izay nitarika ny fanaparitahana ny tafika teo amin’ny renivohitr’i Cali. Nihaona kosa anefa tetsy an-kilany ny filoha Iwan Duque sy ny mpanao fihetsiketsehana mba hezahana handaminana ny raharaha. Nandritra izany no nisin’ireo olona miakanjo fotsy nanajanona ny fifamoivoizana indrindra mamely ihany koa ny krizy ara-toe-karena. Nilaza ny hitsahatra ireo mpitokona ary nilaza ihany koa ny goverenamanta fa hanala ny sakana an-dalambe mba hitohizan’ny asa araka ny fangatahan’ireto mpitokona ary nampanantena fa tsy hisy intsony ny herisetra sy ny fanapotehana.on

Laisser un commentaire