PolitiqueTatitra

Royaume Uni : Hotanterahina ao an-toerana ny fivorian’ny G7

Hanomboka ny fiandohan’ny volana may ho avy izao ny fivorian’ny mpikambana ao amin’ny G7. Ireo minisitry ny raharaham-bahiny mpikambana ao amin’io fikambanana iraisam-pirenena io no hivory mandritra izany. Dinika maro no hotanterahina amin’izany hoy ny tompon’andraikitra ny talata 20 aprily lasa teo. Ny 3 ka hatramin’ny 5 may izao no kasain’izy ireo hanatanterahana ity fivoriana ity. Horesahina manokana amin’izany ny mahakasika ny fifanantonana mba hiaraha-miasa manoloana ny valan’aretina covid-19; ny demokratia manerantany, ary ny fanaovam-baksiny. Eo ihany koa ny mahakasika ny fampianarana ny tovovavy, ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny fiarovana manoloana ny tsy fanjarian-tsakafo. Tamin’ny taona 2019 no nisy ny fivoriana farany izay nihaonan’ireto mpikambana ireto tao Frantsa, raha toa ka tamin’ny alalan’ny fivoriana hampitain-davitra no nanatantarehana izany ny manaraka io taona io nohon’ny fisian’ny coronavirus.

Laisser un commentaire