Nigeria : Mpianatra maro no nalaina an-keriny
Sekoly iray no lasibatry ny fanafihana omaly lasa teo tany Ivon’ny avaratr’i Nigeria. Ankizy marobe no nalain’ny dahalo mitam-piadiana nanafika ny sekolin’ny silamo iray ka miisa 200 ny mpianatra tsy hita raha betsaka tsy tambo isaina ihany koa no tafatsoaka. Mpianatra maro tao amin’ny sekoly silamo Salihu Tanko sy mpandeha tamina fiara fitateram-bahoaka iray no nalain’ny olon-dratsy mitam-piadiana hoy ny governemantan’ny firenena Nigeria. Navotsotr’ireo dahalo ny mpianatra 11 satria mbola kely loatra hoy hatrany izy ireo. Naka mpianatra 100 aloha izy ireo tamin’ny voalohany ary najanony izay kely manodidina ny 4 hatramin’ny 12 taona hoy ny Agence France-Presse na ny AFP. Izao indray ny fakana an-keriny nataon’ireo jiolahy taorian’ny famotsorana ny mpianatra 14 tany Kaduna avaratr’i Nigeria sy 40 andro taorian’ny namotsorana ny mpianatra 5 izay nakan’ny olon-dratsy vola tany amin’ny fianakaviany sy tany amin’ny governemanta. Raha ny fanazavana aza dia vola 18 tapitrisa naira na 357 000 euros no nalain’izy ireo tamin’ireo zaza ireo. Mampihorohoro ny mponina any an-toerana loatra ireo andian-jiolahy ireto izay sady mangalatra ny omby sy maka an-keriny tahaka izao.
