ActualitésSocialTsidika

Ankadinandriana: Ho avy tsy ho ela ny tsena ho an’ny fitaovam-pianarana amin’ny vidiny mirary

Ny 18 Aogositra izao no hisy ny tsena izay atolotry ny fikambanana vehivavy MMM (Malagasy Miara-Miainga). Fivarotana fitaovam-pianarana amin’ny vidiny mirary no hiseho mandritra izany, araka ny voalaza.

“Hetsika efa fanaon’ny fikambanana isan-taona ny fivarotana fitaovam-pianarana amin’ny vidiny mirary ety anivon’ny kaominina Ankadinandriana sy ny manodidina. Natao izany mba ho soa ho an’ny ray amandreny sy hitsinjovana azy ireo amin’ny fidiran’ny mpianatra ka hampiomanina sahady izy ireo amin’izany” hoy ireo avy amin’ny fikambanana.

“Anisan’ny manamavaina ny fahasahiranana mihitsy ny hetsika tahaka izao. ny vidim-piainana efa iaraha-mahalala fa tsy mitsahatra ny miakatra, ny saram-pianarana ihany kao etsy an-daniny ka dia hisaorana ny fikambanana vehivavy MMM sy ny filoha mpanorina ny MMM mitsinjo hatrany ny vahoaka ety ifoton’ny hoy i Nina, mponina ao Ankadinandriana.

Marihina moa fa ny faran’ny herinandro teo no nisy tsena, fivarotana fitaovam-pianarana amin’ny vidiny mirary ity tao Alarobia Vatosola, distrika Andramasina, ka hitohy ao amin’ny kaominina Ankadinandriana amin’ity herinandro ity. Ny filoha mpanorina ny MMM, Hajo Andrianainarivelo mivady moa no tonga tany an-toerana namporisika ireo ray aman-dreny hampiana-janaka nandritra izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire