ActualitésTatitra

Maurice: Atleta 60 no hisolotena ny nosy amin’ny lalaon’ny nosy

Efa herinandro vitsivitsy sisa dia hanomboka ny lalaon’ny nosy izay hotontosaina eto Madagasikara. Raha ny fanazavana dia efa mijoro ny ekipan’ny nosy Maurice hisolo tena azy ireo. 30 vavy sy 30 lahy no atleta voafantina tao anatin’izany ary hitsinjara amin’ireo taranja maro samihafa.

Maro kosa ireo mpanao fanatanjahatena sangany mandrafitra ny solotena. Isan’izany ireo « recordmen » Noa Bibi sy Jérémie Lararaudeuse, eo ihany koa i Jonathan Bardottier izay naha, o medaly volamena roa tamin’ny « sprint » nandritra ny lalao ny nosy tamin’ny taona 2019. Maro ihany koa ireo vehivavy manana « titre » tafiditra ao anatin’izany toy i Océanne Moirt, Ananxya Lebrasse, Claretah Letourdie…

Laisser un commentaire