SSMAF : Manome vahana ny tanora sy ny fanatanjahan-tena ary ny zava-kanto ato amin’ny distrika Avaradrano
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny sabotsy teo ny hetsika SSMAF, tao amin’ny BTC Ambohimangakely. Tonga nanontrona ny lanonana teny an-toerana ireo ben’ny tanàna avy ao an-toerana sy ny avy amin’ny FIBA (Firalahian’ny Ben’ny tanàna ato amin’ny distrika Avadrano).
“Mankany amin’ny fanampiana ny tanora ary manome vahana ny fialam-boly, ny tanora sy ny fanatanjahan-tena, indrindra ny zava-kanto ny SSMAF. Hirariana ny mba hampandehanana izany ho lasa lavitra kokoa, mba hampifaninana ny talenta ato anatin’ny distrik’Avadrano” hoy ny ben’ny tanàna avy ao Alasora.
“Tsy vaovao ho an’ny kaominina Ambohimangakely ny hetsika SSMAF. Ao anatin’ny hetsika ataon’ny kaominina indrindra ny manentana ny tanora eto an-toerana sy ny fanomezana lanja ny fanatanjahan-tena. Manana anjara andraikitra araka izany ny eto an-toerana mampandray anjara ny tanora no sady fampandrosoana azy ireo” hoy ny ben’ny ao Ambohimangakely, filohan’ny FIBA.
Manana talenta misongadina ny distrika Avaradrano, ary mila fanohanana ny hetsika tahaka izao mba hanasongadinana ny tanora. Zava-dehibe izany mba hanampiana ny tanora, indrindra mba tsy hirona any amin’ny zava-mahadomelina.
Manitra R.
