Zandarimaria : Tsy mpitandro ny filaminana fe izay fotsiny ihany izy ireny
Ny zanadarimariam-pirenena araka ny ahafantaran’ny maro azy dia mpitandro ny filaminana eny ifotony eny. Tsy izay ihany anefa ny andraikitr’izy ireny amin’ny fanompoam-pirenena izay antso natokana ho azy ireny fa maro ny toetra entin’izy ireo miasa. Izany toetra izany no miampita ho andraikitra hafa raisin’izy ireny eny amin’ny fiaraha-monina.
“Namanao ny zandarimaria” hoy ny filazan’izy ireo azy. Manamafy izany tokoa ireto asan’izy ireo manaraka ireto: Namana manabe sy manoro,namana miaro, namana mitsinjo sy miahy, namana misoroka fandikan-dalàna, namana mandamina, namana manaramaso ny fampiharana lalàna ,namana mananatra ary namana manaja ny maha-Olombelona. Izany rehetra izany dia andarikitry ny zandary avokoa.
“ Maro ny mihevitra fa hery famoretana izahay zandary ka manalavitra sy mihataka aminay kanefa izahay dia tokony ho namana amn’ny fandrindrana ny fiaraha-monintsika. Ankoatran’ny fitandroana ny filaminana dia afaka manome toro hevitra ihany koa ny zandary ka noho izany dia tsy voatery ho misy olana foana vao hanantona ny zanderimaria ny olom-pirenena. Eny, namana akaiky tia mifandray amin’ny fiaraha-monina mba ho angom-baovao entina miaro akaiky.” Hoy ny zandary.
Araka izany dia ao anatin’ny andraikitra sahaniny ny miadidy ny mpiray tanindrazana aminy amin’ny karazana fihetsika maro ihany koa izy ireny. Tsy zava-baovao vao napetraka izany fa efa mahazatra azy ireny saingy maro ny olom-pirenena no tsy mahalala izany.
Miranto Andrih
