SocialTatitra

Miaramila israelianina niditra tao amin’ny hopitaly nanao fanamiana mpitsabo, namono teratany palestianina telo

Nanao bemidina tao amin’ny Hopitaly Ibn Sina tao amin’ny tanànan’i Jénine, any Cisjordanie, ireo  tafika Israeliana. Nanao fanamiana mpitsabo ireto farany niditra tao amin’ity toeram-pitsaboana ity ary namono ireo teratany Palestinianina miisa telo. Nanameloka ity hetsika ity i Ramallah ; aminy dia mikendry fanafihana amin’ireo mpampihorohoro indray i Israely. Voarakitra ao anaty horonantsary, izay voaray tamin’ny alalan’ny « caméras de sécurité » an’ny hopitaly avokoa moa ireo zava-nitranga nandritra izany. Am-polony ireo miaramila no niditra tao an-toerana, ny sasany nanao fanamiana mpitsabo, ny hafa nanao fanamiana sivily ary ny hafa niseho tamin’ny endrim-behivavy, ary nitondra fitaovam-piadiana.

Laisser un commentaire