Afrique du Sud : Famatsiana ara-bola ny mpianatra amin’ny fampianarana ampitain-davitra
Isan’ireo sakana tsy handraton’ireo tanora ao Afrique du Sud ny fianarana eny amin’ny ambaratonga ambony ny tsy fananana fahafahana ara-bola entina amin’izany, indrindra fa eo amin’ny fanaovana ny fianarana am-pitain-davitra. Ilaina anefa ny fianarana mba hiainana amin’ny fiainana tsaratsara kokoa noho ny efa nisy. Misy araka izany ireo sampana mpanohana ara-bola mba hialana amin’izany sakana izany amin’ny alalan’ny fanavaozana nomerika. Ny Standard Bank no miasa mba hanohana ara-bola ireo tanora amin’ny fianarany. Noho ny fahitana fa betsaka ireo mpianatra tsy afaka misitraka ny fianarana ampitain-davitra toy ny Zoom sy ny Microsoft Teams no anton’ny fanampian’izy ireo. Misy fampindramam-bola ataon’io banky io izay hisitrahan’ny mpianatra 7 % afaka mandrakotra ny saram-pianarany sy izay filàny manodidina an’izay ao anatin’ny taona indrindra fa anatin’ny fampianarana am-pitain-davitra. Hamaly ny hetaheta sy hanova ny fiainan’ireo zatovo aty Afrika Atsimo ny Standard Bank.
