SocialTatitra

Tsy mety hampianatra ireo mpampianatra any Toliara

Mitokona tsy mety hampianatra intsony ny mpampianatra ao amin’ny Oniversite Manindahy Toliara raha tsy misy fanamboarana ilay trano may tamin’ireny sakoroka ireny. Ny olana anefa raha tsy mitohy ny fampianarana dia tsy ho vita ny fanadinana, ary raha nahavita aza tsy mivoaka ny valiny ka ho taraiky tokoa ny fampianarana.

« Atahorana higrevy indray koa ny mpianatra ka hitombo ny olana efa misy » hoy Mahery, mpamakafaka ny politika eto Madagasikara. « Efa betsaka ny olana efa nisy, tokony tsy atao ambanin-javatra intsony ny tanora mianatra izay hoavy rahatrizay » hoy ny ray aman-drenin’ny mpianatra iray. « Efa taraiky ny fampianarana noho ny grevy sy ny hamehana ara-pahasalamana, izao mitokona koa ny mpampianatra, fa dia nahoana loatra ? Hanao ahoana ny hoavinay ? » hoy i Gabriella, mpianatra. Tokony hisy ny marimaritr’iraisana, ny mpianatra tokoa no nanimba ny trano kanefa tsy tokony hivadika any amin’izy ireo ny sazy.

Fotoana izao hidiran’ny Ministera mpiahy sy ny fitondrana an-tsehatra, mba hampiroboroboana hatrany ny fampandrosoana eny amin’ny lafiny fampianarana ambony. Efa simba ny trano dia mbola ho simba ihany ko ave ny fampianarana ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire